Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
blog officiel Anjara lucas ECRIVAIN

Vavolombelona(Jao Anjara)

Jao anjara

Raha iny izaho andeha hipetrapetraka teo an-jaridainan’ny mpifankatia iny no nahatazana tovovavy iray ,sahiran-tsaina lalina ,manganohano te hitomany fa tsy mahalatsaka,mitomany am-po samirery.
Niezaka nanatona azy aho ary nikiry hahalala izay adin-tsainy ka mampahory ny aty fony :
Miarahaba tompoko ,hoy aho tsy niambatra
Miarahaba tompoko,hoy izy somary gaga nahita ahy
Efa fotoana elaela kely ihany no nijanonako tetsy ananona tetsy , andeha mba haka rivotra no anton-dia kanefa raha nahatazana anao aho dia somary mba nanaitra ahy ihany ny fahitako anao mihady eritreritra lalina no sady malahelo am-po, moa misy olana ve?azafady mba zarao fa mahasoa anao izany.
Misaotra tompoko fa aoka ihany aho am’izao
Anjara no anarako ,ary maro ny olana efa nitranga teo amin’ny fiainako,ka misy amin’izy ireny no tena saro-bahana ,saingy ny alahelo tsy hambara havana hono zakan’ny tompony ihany ,koa dia ny ataoko voalohany dia ny miantso namana rehefa tojo olana mba hizarana izany satria ny entan-jaraina hono mora zaka hoy ny Ntaolo e.
Ny nilazako izany no ela dia avy hatrany izy dia nanambara ny olany rehetra tamiko. Tovovavy Roa amby roapolo taona i Antoinine fa izay no fiantso azy, mipetraka ao Antanambao Mahajanga, nifankatia tamina tovolahy iray antsoina hoe: Haja ,araka ny fitàntarany.Dimy amby roapolo taona i Haja ary taona faha enina any amin’ny oniversite an’Antananarivo amin’ny sampam-pianarana fizika. Ny tena olana nahatonga ahy eto dia niantomboka teo amin’ny nahalalako fa mpikambana amina vondrona mpampihorohoro sy mpaka an-keriny irony ny rainy,ary anarana malaza amin’ny haino aman-jery ,saingy niniany nafenina tamiko hatrizay,kanefa tsy misy takona izay tsy ho hita.
Telo taona no niarahanay ary efa tafalatsaka ao am-poko izy ,efa maro ny zavatra vitanay raha ny fiainan’ny mpifankatia no asian-teny, tia ahy i Haja ,tiako tena tiako koa izy, saingy tsy mba fitaka no hampisaraka anay fa ny sampanan-dàlana , fitia vaoarara atsy ho atsy ka aleoko mamoy dieny ny izao … Mantsy raha izao no fantatry dada a; i dada izay tena masiaka tokoa amin’ireny mpanao ratsy ireny noho izy mpitandro filaminana , sarotiny tokoa fa na dia hamoizany ny fianakaviany aza rehefa manao ratsy dia am-ponja avokoa.
Soa ihany aza fa izao no vaky tamiko io resaka io mba hisainako ny ho tohiny hoy Antoinine, herinandro izao no tsy nahatafandry mandry ahy fa dia miady saina ny amin’izay fomba handaozako an’i Haja .
Azafady hoy aho sady nanapaka ny fitantaràny, iza no nahalalanao izany zavatra izany,sao dia mba fitoviana kisendrasendra fotsiny ho hitanao fa tsy tena izy?
Dia inona no ataonao sy izay efa noeritreretinao?
Tsy mora amiko izao zavatra izao ry Anjara a,tafitohim-bato nafenina aho ity ka mitomany an-tanin’olona
Niezaka ny hamantatra ny ho tohiny aho ka namafa ny ranomaso nitsororika tamin’ny takolany, na izaho hitantarana aza mba mangotika ihany maheno izany , tovovavy tsara tarehy , vonikazo mbola tanora kanefa dia maniry afovoan’ny tsilo, ary fandrika no mivelatra anoloany,malahelo azy aho kanefa mba ahafahana manome vahaolana dia tsy maintsy fantatra hatramin’ny farany ny olana .

Sabotsy atoandro ,somary mangingina ny tanana ,ry i neny moa lasa nandeha nanadio Fiangonana fa i Dada kosa mbola niasa,izahay sy i Haja irery no tao an-trano,niezaka nangata-panazavana ny amin’ny tsiambaratelom-piainan’izy ireo aho saingy avy hatrany dia fandrahonana no navaliny ahy,noferany mafy aho tsy hanohy izany resaka izany ary raha toa ka mikiry ny mbola hahafantara dia ny aina no manefa. Marihiko fa tsy izany velively no valin-teny nandrasako taminy, i Haja izay malemy fanahy tamiko hatrizay, tsotra fiteny, mpanambitamby, kanefa toa manana toetra hafa tsy mbola hitako, telo taona izay. Gaga sy talanjona tanteraka aho mahita ity olona fantatro nisaron-tava hatrizay fa niseho amin’ny endrika tena izy. Mitarehim-boanjo, fotsy ivelany fa mena ny ao anaty, menan’ny fihatsarabelatsihy sy ny fitaizana mamoafady nanolokoloina azy. Zanaka mpampihorohoro tokoa ve ka tsy maintsy mampihorohoro eny fa na dia izay ho andefomandriny aza?
Nitady hevitra hampitony azy aho fa nirintona nandeha izy ,niantso aho nanohina izy, niazakazaka nanenjika fa tsy nierika izy,latsaka tomany aho. Fa dia ratsy vitana mihoatra an’iza moa ity izaho no vao mba nitia dia any afovoan’ny Ambodia?
Toneko ny saiko fa tsy mety ho tony, feheziko ny foko fa vao maika miventso zava-dratsy. Ny hampahafantatra an’izao zavatra izao amin’ny ato an-trano aloha dia ataoko sanatria.
Fa nanomboka nazavazava ratsy tamiko ny fandehan’ny tantara ,nanomboka nitsiry tao an-tsaiko ny vahaolana mety aminy.Iny Antoinine fa nanohy indray ny tantarany:

Na dia hiampitako hady lalina aza hoy izy dia tsy maintsy mahita vahaolana aho ary tsy maintsy resiko ny ady sarotra mandalo eo anoloako. Kanefa ve hampitony ahy mandrakizay ny valiny ho hitako ; niantso an’i Haja tamin’ny finday aho hoy i Antoinine kanefa dia trerona no navaliny ahy « raha mbola tianao ny hiaraka amiko dia hadinoy hatreo ny tantaran’i Dada raha tsy izany dia …» notapahiny ny antso, nisisika niatso azy aho fa tsy noraisiny intsony. Na dia himamo hatrany an-tatatra aza aho na hanadio eritreritra toa inona dia tsy ho vitako ny hanadino izay efa ren’ny sofiko sy hitan’ny masoko.

Nifaramparana ny fitantarany koa eto dia tiako ny hanambara aminao mpamaky fa izaho no mitantara ka miha malefaka ny fitantarana fa izaho nanatri-maso izany dia rotsa-dranomaso. Tovolahy tena tiana , tsotra taminao, sariaka sy mahitsy fa mivadika amboa ara-bakiteny na dia amin’ny malalany aza. Manan-daja loatra teo amin’ny tovolahy ny harena hilomanosany eo amin’ny ray aman-dreniny,mamy loatra aminy ny nahitany masoandro ka na dia hamoizany ny olon-tiany aza dia ataony izany. Nitady hevitra isanandro handresen-dahatra an’i Antoinina i Haja fa ny vehivavy kosa tsy hisakaiza amina zanaka Ambodia ary tsy handrafozana mpampihorohoro sy mpandatsa-dra. Tetsy an-kilany koa dia tsy nitsaha-nikaroka hevitra hanavotana ilay fitiavana i Antoinine fa nangaina foana ireny.

Tadidiko hoy izy ilay tononkalo’ny Tanicus iray izay manao hoe:

Raha toa ka ny mpisompatra indray no ho marina
Izay no atao hoe fitia nangalarina
Raha ny efa tsy tia no ho tiavina indray
Aleo mamoy azy mandrakizay.
Alarobia hariva tokony ho tamin’ny fito hariva efa somary nahazoazo kely i dada fa nisy lanonana hono tany ampiasana tany, ka avy hatrany dia renoka natory, nohararaotiko io fotoana io mba hivoahana ny trano,kitapo kely iray no nosarihiko teo akaikin’i dada. Niantso an’i Haja no nataoko ary nanome fotoana azy any amoron-dranomasina amin’ny toerana mangingina fampiarahanay matetika,nolazaiko taminy fa tia azy aho ary vonona ny hanadino ny zava-nisy rehetra.
Avy hatrany dia nanaiky izy ary vonona ny hihaona amiko any an-toerana,vao nahita ahy izy dia niezaka hamihina hay saingy ny hay no tonga aloha …Afaka ny tebitebiko taminy … saingy olana hafa indray no nitranga dia izao hitanao eto izao ry Anjara , mitomany sisa ataoko , marary ny foko ,nahavita zavatra tsy efako hatram’zay aho ary gaga koa fa hay mitovy ihany izaho sy ny rafozako . Ny fanontaniana miverimberina ato an-tsaiko iza odia ny hoe : «Hambarako an’i Dada ve izay niseho»
Ketraka tanteraka aho nanomboka teo ,dia nivalohalika raha nahare ny tantarany,dia sahiny tokoa ve ny namoy ilay namoizany ny fahadiovany sy ny maha izy azy?
Ny hany zavatra saika hadinony tamin’ny fitantarana dia ny nilaza fa efa tafaveriny iny alina iny ihany ilay kitapo kely nalainy an-tsokosoko fony dadany natory,i Haja indray efa nanara-drano lavitra any. Ny hany vavolombelona dia tsy misy afa-tsy izaho, Anjara.

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commentaires