Overblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
blog officiel Anjara lucas ECRIVAIN

NY ANJARA TOERAN’NY FIANGONANA TETO AMIN’NY FIRENENA NIALOHA NY FAHALEOVAN-TENA(loharano google)

Jao anjara

Vokatry ny ady lehibe faharoa (1939-1945) dia toe-javatra roa loha no nitranga: 1. Betsaka ny zavatra simba tany Eropa, ny Misionera teto Madagasikara anefa dia avy any Eropa avokoa ny foibeny, nisedra olana noho izany ny foiben’ireo mpaniraka misionera ireo ka sahirana tamin’ny fampandehanana ny fiangonana. Sahirana ara-bola ny misionera, sahirana teo amin’ny mpiasa ny misionera ary sahirana tamin’ny fitaovana ihany koa. Nanan-kevitra izy ireo dia ny hoe: “ Omeo andraikitra ny tera-tany”. Niova hatramin’ny toriteny natao satria nirona tany amin’ny fampandraisana adidy sy andraikitra ny teratany...

Ny fitiavako atolotro ho anao(Tononkalo)

Ny fitiavako atolotro ho anao(Tononkalo)
Ny fitiavako atolotro ho anao(Tononkalo)

Izaho dia tia sahala amin'ny mpitia rehetra, fa saingy, ny ahy fitia tsy mba hanam-petra. Io no mba safidiko izay atolotro anao ka raiso izy hanjakao ny ao am-poko ao. Ny ahy dia iriko ho fitia ho doria Izay inoako fa porofo ho tena tia Arahin-teny tsy misy fanerena velively Fa ahy ianao,ho anao aho tsy ho very. Ka raha nitia, hitia anao aho dia tsy tombanako ho fitia kilalao fa tena tia amin'ny fo tokoa Eny,tia anao aho,fitia tsy ho lò Kanefa izay tianao dia sitrako daholo. Jao anjara

<< < 1 2